Madagascar prix de la meilleure destination de l’Océan Indien, c'est confirmé par le 26ème World Travel Awards.

Ianao ry Taniko par Kristiann avril 2020 poème nostalgie de mon pays

Poème Culture
85 / 100

Ianao ry Taniko par Kristiann avril 2020 poème nostalgie de mon pays

Ianao ry Taniko par Kristiann avril 2020 poème nostalgie de mon pays

Ilay volonandro toy izao,
No ahatsiarovako anao,
Mampitamberina ao antsaiko
Ny momba anao r’ilay lalaiko.

izaho ilay tia mitazatazana
Ny sahanao mavamavana
Mankafy ny hakantonao
Anivon’izao tontolo izao

Ianao ilay mba tontoloko
Malalako tsy mety hasoloko
Harenako na ory lava aza
Satria anjarako fahazaza.

Mibaliaka vao maraina,
Mamelombelona ny aina
Malefaka raha takariva
Ilaozan’ny masoandro iva

Satry ianao ho afaka ady
Tsy ho voageja, tapa-tady
Ho sambatra hoy ny hiranay,
Ianao ry Taniko any izay.

Aza malahelo foana
Fa mbola ho avy ny fotoana
Hahafahanao tanteraka
F’efa miady izahay, tsy reraka.

Any ianao,

(C) Kristiann

Lire la version française : Ianao ry Taniko par Kristiann poème nostalgie de mon pays VF