FAMPIDIRANA N° TEL AMIN’NY TENY MALAGASY

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 3

Culture Education
82 / 100

Numéroter en malagasy fanisanaNY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 3

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO (03)
facebook 18/08/2018

Fanisana FAMPIDIRANA N° TEL AMIN’NY TENY MALAGASY
Entrer numéro téléphone en malagasy

FAMPIHARANA : FAMPIDIRANA N° TEL AMIN’NY TENY MALAGASY
Hiteny malagasy isika rehefa hampiditra N° tel na hikirakira izay hetsika rehetra takian’ny fifandraisana an-telefonna, oh: 033 06 123 58.

TANJONA

Aza hadinoina ny tanjona lehibe: hiteny malagasy isika rehefa hampiasa telefonna ary tsy hiteny teny frantsay intsony.

Averina amin’ny toerana sy sata misy azy ny teny malagasy satria nanaovan’ny teny frantsay barofo izany: noterena hiteny teny frantsay ny Malagasy nefa isika manana ny tenintsika.
Fefentsika eo amin’ny fanisana ihany aloha ny raharaha ary ny fampiharana ataontsika voalohany dia mikasika ny fandefasana N° amin’ny telefonna.
Inona no antony? Efa maro isika no manana itony fitaovana fifandraisana High Tec itony na inona na inona saranga, efa hatrany ambanivohitra lavitra manerana an’i Madagasikara aza: telefonna mitoetra, telefonna finday smartphone na tablety ary aelintsika ho an’ny tambanivohitra koa ny vokatra mba tsy hilazany hoe ireny indray ireo tambonivohitra mitady hamitaka anay.

FEPETRA

Misy fepetra anefa toy izao manaraka izao:
– Ny N° tel dia tohizana tarehimarika (miisa 10 ho antsika eto Madagasikara): tohizana tarehimarika io, azo raisina ho voanteny iray voasoratra amin’ny tarehimarika fa tsy amin’ny litera toy izao soratana eto amin’ny fehezanteny izao. Tsy isa fanaovana asa marika izany fa voanteny tsotra fotsiny izay vakiana arak’izany : TAREHIMARIKA VAKIANA MANOMBOKA ATY ANKAVIA ARY ASESY TSIRAIRAY MANKANY ANKAVANANA.
Oh: 033 06 123 58.
– Ny fitaovana tel ampiasaina (tsy ananantsika Malagasy fa vidiana) dia noforonina hanaraka fitsipika mitovy eran-tany na iza na iza mpamorona ireny fitaovana ireny: ny fandraisana ireo N° ireo (tohizana tarehimarika) dia MANOMBOKA ATY ANKAVIA ARY ASESY TSIRAIRAY MANKANY ANKAVANANA. Fepetra iraisam-pirenena tsy azontsika Malagasy ovaina izany.

OLANA SY VAHAOLANA

Misy olana anefa ilay Fanisana malagasy ankehitriny izay mihevitra an’ilay N° toy ny isa ary dia heveriny fa hovakiana AVY ANY ANKAVANANA MANKANY ANKAVIA : TSY TAFIDITRA (satria Diso: tsy isa io fa tohizana isa raisina toy ny anarana, vakiana avy aty Ankavia mankany Ankavanana).
Voafitaka noho izany ny Malagasy, noho izany: VAKIO NA SORATY NA AMPIDIRO TSIRAIRAY NY TAREHIMARIKA MANOMBOKA ATY ANKAVIA ARY ASESY MANKANY ANKAVANANA.

FAMPIHARANA

Misy dingana maromaro (ohatra fotsiny ity, azonao ovaina araky ny toerana sy ny toe-javatra miseho aminao):
– Atombohy amin’ny tenanao ny fanazarantena: efa nomena anao ny paika rehetra hanatanterahanao ny hetsika (hatramin’ny fototra teorika aza mikasika ilay isa “Zero” manan-daza eo amin’ny matematika): jereo ny Post anankiroa nalefa teo aloha. Matanjaka tsara izao ny fahalalànao ity raharaha ity, azonao hiadiana hevitra amin’izay olona hifampiresahanao.
Ankoatr’ireo tarehimarika “Isa fototra”miisa 10 hitanao eo amin’ny efijerin’ny tel findainao dia omena anao koa ireo bokotra fampiasa matetika:
o Bokotra Maitso: ALEFA
o Bokotra Mena: TAPITRA
o *: Kintana
o #: Diezy
– Andramo antsoina ilay N° tel ery ambony: 033 06 123 58:
ZERO TELO TELO (miato kely) ZERO ENINA (miato kely) IRAY ROA TELO (miato kely) DIMY VALO + ALEFA.
– Rehefa havanana tsara ianao dia atombohy ao an-tokantranonao ny fanazavàna sy fampiharana: angamba tsy sarotra?

Tohizo any amin’ny toeram-piasana na amin’ny mpiara-mianatra.
Miomàna fa mety ahita zava-mahagaga mety ahatezitra ianao: toneo ny fo, ataovy tsara ny “moral” fa misy ny hendry ary misy ny adala amin’ireo olona hifaneraseranao: amin’ireto farany ireto, tsy mahalala loatra ny fototry ny raharaha dia misy be fiavy, mahery fihetsika, mivatravatra, mety aheno teny mandrabiraby ianao, fanevatevàna sy famingavingàna aza . . . Tony, hoy aho: MANANA NY MARINA, MANANA NY MAHOMBY ISIKA. Hampianatra no ataontsika eto, hanitsy izay diso, rehefa sarotra ny fifandraisana dia mahaiza miala, toy izany ny fiarahamonina . . .
FEHINY

Rehefa voafehinao tsara ny paika rehetra dia hanjary mpampianatra ianao hanazava ny paika rehetra amin’izany fampiasana ny fitaovana tel finday ary mampiasa teny malagasy.
Tadidio mandrakariva fa hanatsara ny Teny malagasy sy ny Fanisana malagasy no tanjona hampisehoana fa tsy latsa-danja miohatra amin’ny tenim-pirenena hafa izay mahazatra anao taloha ity ”Fanisana malagasy vaovao” ity: teny malagasy hatrany, teny malagasy tsy mahamenatra fa tena mahomby ahagaga ireo olona hifaneraseranao aoriana, indrindra fa ireo vahiny izay nahenoana aza hoe: “Odray, fa toa miteny malagasy ity Malagasy ity”? (satria teo aloha dia henony fa miteny frantsay ilay Malagasy fantany io: fanandramana heno tao St Denis, La Réunion izany izay be mpila ravinahitra Malagasy ary toa heno miteny frantsay matetika).

N.B 1 : Solonavalona Andriamihaja Tohiny: ny tarehimarika « 0 » dia nofaritan’ire matematisianna karana ireo ihany ary koa ireo tarehimarika 9 hafa mahafeno azy fo « Folo » eo amin’ny fanisana miorina amin’ny fototra Folo

Tsy mbola ampy fahalalàna ny Malagasy eo amin’ny matematika ka aza manenjika ny efa lasa lavitra: atombohy eo an-tokonana aloha: ny fianarana ireo « Isa fototra Folo » (post 01) sy ny fampiasana azy (post 03).

N.B 2 : Solonavalona Andriamihaja Manampy fanazavàna indray aho izao 20/10/2018 izao.

Vao ny lahatsoratra fahatelo io nalefako io saingy any ifotony mihitsy: FAMPIASANA IREO ISA FOTOTRA: 0; 1; 2; 3; 4; 5; 6; 7; 8; 9.

Izaho dia miahiahy fa maro ny mpihatsaravelatsihy:mody mandefa telefonna saingy miteny, mibitsibitsika ao anaty amin’ny teny frantsay. Dia ilaza ianareo izay manao izany fa hainareo ny mandefa telefonna?

Mazava ny ahy ny tanjona: TOKONY HITENY MALAGASY NY MALAGASY: AHOANA NO ATAO REHEFA MANISA? REHEFA MANDEFA TELEFONNA? MAMPIASA IO FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO IO.

NY manahirana dia tsy miady hevitra ireo olona manana ny diso ireo, anjaranareo ny mieritreritra . . .

Mbola ho avy ny lahatsoratra manaraka fa dieny izao dia ivereno koa ireo efa nivoaka: N° 4 sy 5 ary diniho tsara mihitsy. Aza hadinoina fa fampianarana no omeko eto, omenaa anareo daholo, izay loharano ahafahanareo manamarina (na mandiso) izay lazaiko na eto Antananarivo na any London. Dia mbola hisy hilaza ve ianareo fa tsy diso ireo misionery LMS ireo?