NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 7 Akademaia Malagasy

Culture Education
82 / 100

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 7 Akademaia Malagasy

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO (07)

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO
NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO

facebook 06/01/2019
————————–————————–————
Na misamboaravoara aza ny fitondrana ny firenena ankehitriny dia tohizantsika ny fanadihadiana momba ny “Fomba fanisana malagasy”: raharahan’ny kolontsaina ny mikasika ny “Fomba fanisana”, miorina amin’ny matematika izay mijoro amin’ny fenitry ny fahamarinana mandrakariva: ny “voankevitra” sy “petrakevitra” marina eo ampiandohana no velarina sy ampiharina amin’ny teorema sisa rehetra ahazoana vokatra “marina”.
Ny “Fomba fanisana” no anisan’ny andry sy antoka iray mitory ny maha firenena ny firenena iray ary marina koa izany ho an’ny firenena Malagasy sy ny mponina Malagasy. Ampahatsiahivina anareo eto amin’ny fb àry fa tsy very andro akory ianareo manaraka itony fikarohana sy fandinihina itony: ASEHOY NY MAHA MALAGASY ANAO, TSY LATSA-DANJA NOHO NY FOMBA FANISAN’IREO FIRENENA LEHIBE IREO AKORY ITY FOMBA FANISANA MALAGASY ATOLOTRA ANAREO ITY. MILA POROFO IANAREO? FANTARO FA TSARA LAVITRA ITY FOMBA FANISANTSIKA ITY NOHO NY FOMBA FANISANA FRANTSAY, TSARA LAVITRA NOHO NY FOMBA FANISANA ENGLISY.
————————–————————–——————
IREO SOKAJIN’ISA

Mitohy indray ny fanadihadiana sy famaritana samihafa momba ny fomba fanisana malagasy.
Tsiahivina fa tsy vao izao isika no mandinika ity lohahevitra ity eto amin’ny facebook: ny faramparany dia tamin’ny 2015 (“Ny fomba fanisana malagasy narenina”) sy tamin’ny taona lasa 2017 (“Fitsipika arahina momba ny fomba fanisana malagasy vaovao”). Tany amin’ny sehatra hafa (radio, gazety, Foibe ara-kolontsaina maro, Akademia Malagasy, . . .) dia efa ela tokoa na nanomboka ampolotaona vitsivitsy.
VENTY ANELANELANY SAMIHAFA NA SOKAJIN’ISA
Efa mahay manisa zavatra vitsy hanombohana isika amin’ny alalan’ireo Isa fototra, hatreo amin’ny “Sivy” (Jereo: NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO (01), facebook 07/08/2018).

Izao dia hanisa zavatra maro na handrefy zavatra lehibe kokoa isika. Ohatra: Ahoana no hanisana ireo omby maro eo an-kijana (hita amin’ny Sary ampiarahina)? Ahoana no handanjana ireo gonim-bary hotaterina amin’ny kamio?
Valiny: mamorona venty vaovao, lehibe kokoa noho ilay “Venty tsotra fanombohana” (ilay singan-javatra tokana), venty vaovao iza?

VENTY ANELANELANY VOALOHANY : AMPOLONY NA FOLO

Ilay isa manaraka avy hatrany ny isa “Sivy” namaranantsika ny fanisana fototra teo amboalohany no raisina voalohany ho “Venty anelanelany vaovao” : io tambatra vaovao io, antsoina hoe “Ampolony” no anombohana indray ny fanisana: “Iray Ampolony” ary ny anaran’ny isa vaovao dia antsoina hoe “Folo”.
Fampiharana: atambatra tsifolofolo ireo zavatra isaina na refesina manaraka (heverina fa hay ny manambatra an’ireo) ary atomboka ny fanisana vaovao : Iray Ampolony, Roa Ampolony, Telo Ampolony, . . .

VENTY ANELANELANY VAOVAO MANARAKA

Raha mbola maro kokoa indray dia ampiharina indray ny paika teo aloha: ampiasaina ny Venty anelanelany vaovao : Folo Ampolony = Anjatony na Zato ary toy izany hatrany ny manaraka, fintinina toy izao:
Venty (na Venty tsotra : Singan-javatra tokana) : fanombohana
Folo Venty : Ampolony na Folo
Folo Ampolony : Anjatony na Zato
Folo Anjatony : Anarivony na Arivo
. . . . . . . . . .
Ireo Venty anelanelany samihafa ireo no antsoina manomboka eto hoe : SOKAJIN’ISA na SOKAJY (raha tsy misy fifangaroana).

HENENINA ISAN-KARAZANY

Rehefa mahazo ireo venty anelanelany ireo dia azo atao ny manisa amin’io Venty anelanelany io toy izao :
i) Amin’ny Ampolony = Folo Venty
Iray Ampolony
Roa Ampolony : Roampolo (fa tsy : Roapolo)
Telo Ampolony : Telompolo (fa tsy : Telopolo)
Efatra Ampolony : Efampolo (fa tsy : Efapolo)
Dimy Ampolony : Dimampolo
Enina Ampolony : Enimpolo
Fito Ampolony : Fitompolo (fa tsy : Fitopolo)
Valo Ampolony : Valompolo (fa tsy : Valopolo)
Sivy Ampolony : Sivimpolo (fa tsy : Sivifolo).
Azo tohizana indray amin’ny Anjatony sy ny heneniny:
ii) Amin’ny Anjatony = Folo Ampolony
Iray Anjatony : Zato
Roa Anjatony : Roanjato
Telo Anjatony : Telonjato
. . . . .
Valo Anjatony: Valonjato
Sivy Anjatony : Sivinjato
Ary tohizana indray ny paika amin’ny Anarivony :
iii) Amin’ny Anarivony
Iray Anarivony : Arivo
Roa Anarivony : Roa Arivo
. . . .
Valo Anarivony : Valo Arivo
Sivy Anarivony : Sivy Arivo

VOKATRA LEHIBE

Rehefa haintsika ny manisa amin’ireo Venty anelanelany samihafa ireo dia haintsika amin’izay ny manisa tsirairay tsy tapaka manomboka amin’ny Isa fototra :
Zero, Iray, Roa, . . ., Valo, Sivy, Folo, . . . Roampolo, . . . Telompolo, . . . Zato, Roanjato, . . . Arivo, Roa Arivo, . . .
Vokatra lehibe izany raha toa haintsika marina tokoa ny mandrafitra ireo isa rehetra ireo.
Ohatra : inona no anarana anondroana ny isa manaraka avy hatrany ny isa Folo? Ahoana no andaharana ireo sokajin’isa maro raha misy ary ary ahoana no andaharana ireo isa maro anelanelany koa tahaka ilay isa manaraka avy hatrany ny isa “Folo” sns . . .?

Misy lalàna matematika mifehy an’izany , omentsika amin’ny lahatsoratra manaraka.

Solonavalona Andriamihaja
(Hotohizana)