FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 12 Akademia Malagasy

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 12 Akademia Malagasy

Culture Education
88 / 100

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 12 Akademia Malagasy

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 12 Akademia Malagasy

facebook 19/02/2019

FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 12 Akademia Malagasy
TANTARA FOHIN’NY FOMBA FANISANA MALAGASY

TANTARA FOHIN’NY FOMBA FANISANA MALAGASY

Mbola misamboaravoara be ny fiadiana hevitra eto amin’ny “facebook” momba ity Fomba fanisana malagasy ity ary ny hitako dia hevitra 2, vondron’olona anankiroa no mifanandrina eto:
– Ny iray manaporofo fa ratsy ny Fanisana malagasy ankehitriny ka te hanova an’izany; ny endrika vaovao omeny an’izany dia antsoiko hoe: FanisanaA (izay mbola ho faritana manaraka ery ambany ny toetrany).
– Ny faharoa dia vondron’olona mitonon-tena ho Mpomba ny fomban-drazana (malagasy) milaza fa tsara io fomba fanisana ankehitriny io ary mitazona izany, fomba fanisana antsoiko eto hoe: FanisanaB (mbola ho faritana manaraka koa).

Efa maro ny lahatsoratra navoaka teto tato anatin’ity andiana lahatsoratra NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO ity (efa nisy 11 izay) ary tao anatin’izay dia heveriko fa matevina ihany ny fanazavana momba ity tolokevitra vaovao ity nefa ampiana farany momba ny Tantaran’ny fanisana malagasy mba hahitanareo rehetra ny fivoaran’ny fanisana malagasy ary ahafahana miady hevitra feno amin’izay hanavahana ireo fomba fanisana anankiroa ireo amin’ny endrika matematika.

Izany no anolorana ity tantara fohy ity, nohafohezina nefa anomezana ho anareo eto amin’ny fb ny tena fonjan-kevitry ny fanisana malagasy teo amin’ny tantarany nanomboka 800 taona lasa (izay no ananana porofo voasoratra voalohany) ka mandrak’ankehitriny.

12.1 FAMARITANA

Ilaina ny manazava mialoha ny tena famaritana ny “Fanisana” satria voamariko fa amin’ireo mpomba ny FombaB dia toa very, tsy fantany mihitsy ny tena hevitra sy tanjon’ny “fanisana” fa very ao anatin’ny fiarovana tsy mieritreritra intsony ny hevitra tohanany izy ireo dia ny FanisanaB.
Indro àry ny famaritana, tena tsotra ary miainga amin’ny asa takiana amin’izany hevitra “Fanisana” izany, tsy mbola idiran’ny fitsipika sy teorema maro avy amin’ny matematika fa miainga mihitsy amin’ny fahatsapana andavanandro ny asa takiana.

Ny “Fanisana” dia natao hanisana fitambarana zavatra maro misaratsaraka mandeha singany iray (oh: olona, omby, vatokely, voasary, . . .) na fandrefesana bolongan-javatra efa mitambatra (oh: vary fotsy, volamena, rano, . . .) ary refesina amin’ny refy iray atao modely fandrefesana.

DIENY ETO AMBOALOHANY DIA MARIHIKO ARY AMAFISIKO FA FANDREFESANA HABE NA HAMAROANA NO ASAN’NY FANISANA : TSY MAZAVA VE IZANY FA HABE NO REFESINA? REHEFA HABE DIA HABE, NY TOETRA MAHA LEHIBE NO LAZAINA? REHEFA LEHIBE DIA LEHIBE, NY LEHIBE NO OMENA LAHARANA VOALOHANY, NY LEHIBE DIA TSY METY HO KELY MIHITSY.

Io fanamarihana sy fampiomanana io dia ataoko ho an’ireo mpomba ny FanisanaB satria ao amin’izy ireo no ahitana izany famadihana ny fanjohian-kevitra izany ka anomezany lanja ny Kely mialoha ny Lehibe: tsy mety izany, ataovy madio ny fomba fanjohian-kevitrareo.

Rehefa vita izany famaritana ny voan-kevitra “Fanisana” izany dia omentsika aoriana amin’izay ny endrika matematika mamaritra ny “Fanisana”, mazava ho azy marim-pototra ho an’ny fanisana ankapobe, izany hoe ny Fanisana amin’ny tenim-pirenena rehetra eran-tany ary noho izany marim-pototra koa ho an’ny “Fomba fanisana malagasy” izay hovolavolaina ary atollotra manaraka eto (ato anatin’ny andiana lahatsoratra dia io mitondra ny lohateny lehibe io).

12.2 TANTARAN’NY FOMBA FANISANA MALAGASY TALOHAN’NY 1823

Faritana 2 lehibe ny vanim-potoana, sarahin’ny fampiasana ny Abidia niforona tamin’ny fanjakan’ny Mpanjaka Radama I tamin’ny 1823:
Ny “Abidia malagasy” voalohany noforonin’ny Mpanjaka Radama I tamin’ny 1823 dia abidia latinna ary nanaraka azy ny “tarehimarika arabo” fantatsika ankehitriny.
Tsy nahay nanoratra ny Malagasy taloha ankoatr’ireo manampahaizana Antemoro nanoratra amin’ny “sorabe” sy tandapa vitsy tao an-drova Manjakamiadana, Antananarivo ary ny sorabe dia tsy nahafantatra ny tarehimarika arabo, noho izany ny soratra tehirizin’ny Fandraka antemoro dia tsy ahitana isa voasoratra amin’ny tarehimarika fa soratra voasoratra feno amin’ny sorabe, izany no ilazana hoe: FANISANA AM-BAVA no fantatry ny Malagasy talohan’ny Taona 1823 fa tsy mbola nisy Fanisana an-tsoratra mampiasa tarehimarika.

Indro àry ny porofo voalohany amin’ny teny malagasy dia ireo “sorabe” voatahiry amin’ireo Fandraka Antemoro (nadika ho amin’ny Abidia latinna eto) toy izao:
“fitu zatu ndra fulu abini ndra limi”
(Ilovango, Sorabe antemoro, 1337 JK)
NOHO IZANY, FANISANA AM-BAVA NO NIFAMPIRESAHAN’NY SAMY MALAGASY KA NDAO HOJERENTSIKA IZANY EO AMIN’NY TANTARA.

• Vatomasina, Antemoro Taona 1337 JK
Io no soratra voalohany (io ambony io) amin’ny teny malagasy fantatra ankehitriny ary omentsika lanja lehibe dia lehibe tokoa:
“fitu zatu ndra fulu abini ndra limi”.
Inona no fitsipika arahiny? Fomba FanisanaA, izany hoe: ny Sokajin’isa Lehibe indrindra no tononina Voalohany, ny Anjatony eto: “fitu zatu” (Fitonjato amin’ny teny malagasy ankehitriny) no tenenina Voalohany, manaraka ny Sokajy Kely kokoa manaraka avy hatrany, ny Ampolony : “fulu” (Iray Ampolony) ary faranana amin’ny Sokajy Kely indrindra, ny Venty: Limi (Dimy izany).
POROFO LEHIBE GOAVANA IO KA TOKONY HO FANTATRAREO TSARA ETO AMIN’I “facebook” ARY HOTADIDIANAREO MANDRAKARIVA AMIN’NY FOTOANA REHETRA, ANKEHITRINY SY HO AVY, AMAFISINA HO ANAREO MILAZA AZY HO MPOMBA NY FANISANA NENTIN-DRAZANA ANKEHITRINY : FANISANA FOMBA A IZANY FA TSY NY FOMBANAREO ANKEHITRINY MANARAKA NY FANISANA FOMBA B.

• Maroantsetra, Taona 1603
400 taona lasa izany, voasoratr’ireo tantsambo notarihin’ny Holandey Frederick de Houtman amin’ny abidia latinna sy ireo isa voasoratra koa amin’ny tarehimarika arabo, mampiseho ny toetran’ny Fomba fanisana malagasy tamin’izany fotoana izany dia ny Fandaharana ny sokajin’isa mandrafitra ny isa sy Fampiasana kilasy:
11 : Foelo arreick Fandaharana sokajin’isa FanisanaA
12 : Foelo roo
1000: Heetsi (Arivo ankehitriny)
10000 : Foelo heetsi  Folo arivo): Fampiasana Kilasy miherina isaky ny Arivo
100000 : Siatou heetsi  Zato arivo)
(Bokina voambolana madagaskarianna F. de Houman van Gouda, 1603)
Nanisa amin’ny FombaA ny Betsimisaraka tao Maroantsetra.

• Taolanaro Taona 1658
360 taona lasa izany:
21 : Ropoule iraic ambiambi
22 : Ropoule ro ambiambi
1000 : Arrive
10000 : Foulou arrivou
100000 : Zatou arrivou
(Katesizy nosoratan’ny Pères Lazaristes tao Taolanaro, anarana taloha Fort Dauphin tamin’izany fotoana izany).
FanisanaA sy fampiasana Kilasy miherina isaky ny Arivo izany.

• Imerina, Antananarivo Taona 1825
200 taona lasa, tamin’ny 1815 dia no hita voasoratra izany ao amin’ireo taratasim-panjakana nifanakalozan’ny Fanjakana foibe sy ireo governora tany amin’ny faritra (Mahavelona Foulpointe ankehitriny, Mananjary) :
énipolu rouiambini (Taona 1825)
roipoulou dimiamby (Taona 1828)
12 fo lo ro i ambi (Taona 1828)
13554 ariary iray alina sy telo arivo sy dimanjato sy efabenty (Taona 1865)
(Jereo : “Arsivam-pirenena”, Tsaralalàna, Antananarivo).
Toetra FanisanaA izany.
Amin’ny fitenim-paritra Betsimisaraka indray dia voasoratra koa:
11 : Folo raika amby
12 : Folo roa amby
10000 : Folo arivo Fampiasana Kilasy miherina isaky ny Arivo
(Rakibolana Weber, 1855)
Mbola FanisanaA izany ary mampiasa Kilasy.
Ho azy rehetra ireo dia voaporofo fa manaraka ny Fitsipika Fomba A izy rehetra (fitsipika manaraka tanteraka ny Lalàna matematika.

12.3 TANTARAN’NY FOMBA FANISANA MALAGASY TAORIAN’NY 1823

Nizara faritra 2 ny Fomba fanisana malagasy taorian’io Taona io vokatry ny fanovàna nentin’ireo misionery sekta LMS teto Antananarivo :
– Fomba FanisanaB : Anivontany (Imerina, Betsileo, Sihanaka) sy Atsinanana (Betsimisaraka, Antemoro) izay nanaraka ny finoana kristianna naelin’ireo misionery sekta ireo, sekta satria tsy nanaraka ny finoana englisy narahin’ny “Anglican Church of England” izy ireo fa nitokana te hanana ny azy manokana.
– Fomba FanisanaA mbola notazonin’ny foko hafa Tatsimo (Tandroy, Vezo, Mahafaly) sy Tandrefana (Sakalavan’i Menabe, Sakalavan’i Boina) sy Tavaratra (Antakarana).

Fa iza àry no nanova ny Fomba fanisana A ho Fanisana B? Ary oviana?
Efa nolazaina taminareo fa ireo misionery sekta LMS David Jones sy David Griffiths sy ny namany no namadika ny lalàna ho Fomba B tamin’ny 1835.
(Lahatsoratra N° 04 facebook 27/08/2018 sy N° 05 facebook 30/08/2018)
Ny antony dia :
* Tsy mahay ny teny malagasy izy ireo, tsy mahafantatra ny toetran’ny Fomba fanisana malagasy sy ny tantarany naseho antsika teo ambony, §12.2 etsy ambony.
* Teratany welsh izy ireo, avy any Wales (Pays de Galles amin’ny teny frantsay) ary ny Fomba fanisan’ny teny welsh dia tena tsy manaraka ny lalàna matematika amin’ny lafiny maro: mivadika ny Fandaharana ny sokajin’isa 11-99, mampiasa fototra maro ankoatry ny Folo : Roampolo, Dimampolo sy mbola misy fototra tselatra sasany maromaro, mampiasa kajy indraindray nefa tsy tokony hisy an’izany.
* Tsy mahay matematika/aritmetika fara fahakeliny: misionery no asany.
* Fanararaotam-pahefana no nataony amin’ny fampidirana amboletra tsy nahazo alalana ho amin’izany (Ny Mpanjaka Radama I koa efa niamboho tamin’ny 1828), nenjehin’ny Mpanjakavavy Ranavalona I izy ireo dia niafina ary nanararaotra nampiely ny Baiboly tamin’ireo kristianna, tao anatin’io Baiboly io indrindra anefa no nisy ilay fahadisoana namadihana ny fomba fanisana tsy manaraka ny fitsipika matematika fa navadika tanteraka ho Fomba B amin’ny isa rehetra, oh :
hazandrano vaventy TELO AMBY DIMAMPOLO AMBY ZATO (Jaona 21 – 11)
* Fanararaotam-pahefana koa teo amin’ny fampianarana : navoaka ny Diksionera J.J.Freeman – D Johns 1835 ahitana fanisana :
11 : Iraikambinifolo
12 : Roambin’folo
13 : Telo amby nifolo.

Ny vokany dia izay nanaraka ny finoana kristianna rehetra (na protestanta na katolika) dia nanova tsikelikely ny Fomba fanisana : foko Timerina, Betsileo, Sihanaka, Betsimisaraka; ny foko tsy nanaraka fa nijanona amin’ny finoany, Silamo ohatra: foko Tatsimo: Tandroy, Vezo, Mahafaly, ny Tandrefana: Sakalavan’i Menabe, Sakalavan’i Boina na Tavaratra: Antakarana dia nijanona ho Fanisana A nanomboka tamin’izany ka hatramin’izao ankehitriny izao.

12.4 LALÀNA MIFEHY NY FOMBA FANISANA

Omentsika amin’izay àry ny Lalàna mifehy ny Fomba fanisana amin’ny ankapobeny, ho an’ny Fomba fanisana rehetra amin’ny tenim-pirenena rehetra eran-tany, noho izany marim-pototra koa ho an’ny Fanisana malagasy ary izany indrindra no atolotra ato amin’ity andiany FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO ity.

i) Fandaharana ny Sokajin’isa : manomboka amin’ny Sokajin’isa LEHIBE indrindra alahatra VOALOHANY, ampiharina na amin’ny fanisana am-bava na amin’ny fanisana an-tsoratra mampiasa tarehimarika, ohatra :
Amin’ny fanisana am-bava : Roa Arivo Dimampolo sy Sivy (Tsy tononina ny Anjatony satria tsy misy ary tsy tononina koa ny anarana Venty farany satria io no soloina amin’ny anaran’ny zavatra refesina: vola Ariary na euro na dollar, metatra na kg, . . .)
Amin’ny fanisana an-tsoratra : 2059.
(Lahatsoratra N° 08 facebook 14/01/2019 sy N° 09 facebook 03/02/2019 ary N° 10 facebook 10/02/2019)
Marihiko manokana ny Lahatsoratra N° 08 facebook 14/01/2019: ao no ahitanareo ny “Teoreman’ny Fizaràna euklidianna” manome ny endrika matematikan’ny fomba fanisana:
a = bxq + r
0<= r <b
Tsy novelarina izany fa notanisaina fotsiny (ho an’ny besinimaro), io anefa rehefa trandrahina sy borahina no miteraka ny endrika matematikan’ny isa fantatry ny mahay matematika tsara ary asehontsika an-tsary ho hita eto amin’ny fb.
(Jereo ny Sary : Fanaborahina ny isa iray)

ii) Fampiasana Kilasy miherina isaky ny Arivo, ohatra :
2059 : misy kilasy anankiroa:
Kilasin’ny Venty : 059 x 1
Kilasin’ny Arivo : 2 x 1000
(Lahatsoratra N° 11 facebook 14/02/2019)
Ampiarahina:
Sary Fanaborahina ny isa

Solonavalona Andriamihaja
(Hotohizana)