NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO Post 21 Akademia Malagasy

Culture Education
62 / 100

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO Post 21 Akademia Malagasy

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO Post 21

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO
Fafan’ny fanisana

facebook 10/05/2019
FAMPIHARANA (Tohiny)
FAMPIASANA KILASY
Naseho anareo hatreto ny fampiasana ny paikan’ny “Kilasy”.
Ity ny fazarantena omena anareo ahafahana mampiasa azy tsara.
Ny “Kilasy” dia miherina isaky ny “Arivo”, izany hoe: rehefa tonga eo amin’ny Arivo ny Sokajy iray dia mivadika ho “Kilasy” ny anarany sy ny andraikiny: hita amin’izany fa sokajy 3 no voafaritra ao anaty kilasy iray dia: Venty, Folo ary Zato.
Averina eto ny famaritana azy ireo.
Kilasin’ny Venty = Venty
(Jereo ny Fafan’ny fanisana ahitana ireo sokajy 3 ao anatiny: Venty – Folo –Zato)
Kilasin’ny Arivo = Arivo x Venty
Kilasin’ny Tapitrisa = Arivo x Arivo
Kilasin’ny Miliara = Arivo x Tapitrisa
Dia ahoana? Inona no atao?
Tsotra: ataovy tsara ny Tsianjery (soloy Iray ny Venty):
Iray – Folo – Zato . . . . . Iray – Folo – Zato . . . . .
Ohatra:
Ho an’ny kilasin’ny Venty: Iray Venty Folo Venty Zato Venty (Fantatsika fa ho an’ny sokajin’ny Venty manokana dia tsy tononina io anarana Venty io satria io ihany no hiova ireo kilasy hafa aoriana na hiova koa ilay zavatra kirakiraina: dollar, ariary, metatra, litatra, . . .).
Ary ho an’ny kilasy hafa? Tsianjery fotsiny: Iray – Folo – Zato ary tovano ny anaran’ilay Kilasy: Arivo, Tapitrisa, . . .
Ohatra: Ho an’ny kilasin’ny Arivo izany dia izao ny valiny: Iray Arivo Folo Arivo Zato Arivo.
Inona izany? Toa vaovao?
Eny! Tena vaovao fa manara-penitra!
Inona ny vokany?
Folo Arivo no manara-penitra (tsy misy intsony ny Iray Alina)
Zato Arivo koa manara-penitra (tsy misy intsony ny Iray Hetsy)
Tsotra kely? Ataovy tsara ny tsianjery : Iray – Folo – Zato . . .
Ampirahina: Sary Fafan’ny fanisana
(Hotohizana)