NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO paost 01

Culture Education
83 / 100

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO Posts 1 à 16

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO (01)

facebook 07/08/2018
(naverina 24/12/2018)

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO
Compter en malagasy vaovao

IREO ISA FOTOTRA

Efa hitantsika teto amin’ny fb tamin’ny 27/07/2018 ny “post” nalefako momba ny Fanambaràna lehibe nataon’ny Akademia Malagasy mikasika ny Teny malagasy sy ny Fomba fanisana malagasy.
Isika moa teto amin’ny fb dia efa niady hevitra lalina tato anatin’ny folo andro izay momba ireo lohateny anankiroa notanisain’ny Akademia fa manomboka eto dia hanome torolàlana vitsivitsy aho momba ny “Fomba fanisana malagasy” manokana.

TANJONA

Anankiroa ny tanjona hotratrarintsika:

i) Ny tanjona lehibe voalohany dia ny handrafitra Fomba fanisana malagasy manaraka ny fenitra nofaritan’ny matematika (satria matematika ny fomba fanisana), ekena ary ampiharina eran-tany ary eken’ny fiarahamonina malagasy ara-tantara (manaja ny fanisana nentin-drazana).

ii) Ny mponina tiliana dia ny mponina Malagasy rehetra miisa 25 Tapitrisa (ankehitriny): na foko inona na inona, na aiza na aiza toerana hipetrahany: tambanivohitra na tambonivohitra, na olon-dehibe na ankizy madinika ary singanina manokana eto ireo ankizy mpianatra madinika vao miditra an-tsekoly miisa 1 Tapitrisa isan-taona, na manam-pahefana (Governemanta, Ministera, Antenimieram-pirenena) na vahoaka tsotra.

iii) Ny tanjona lehibe faharoa dia ny hitenenana “teny malagasy” ary tsy hitenenana teny frantsay intsony: azo atao izany rehefa namboarina ny fanisana malagasy ankehitriny: nahitsy ary nohatevenina ka nahazoana “Ny fomba fanisana malagasy vaovao”.

Hita amin’izany fa tanjona fampianarana no faritana eto (Tsy manavaka ny Malagasy rehetra) fa tsy tanjona varotra akory (izay manavaka avy hatrany nohon’ny fikarohana “business”).
Noho izany, Fomba fanisana tokana no rafetina aroso ampiasain’ny mponina rehetra amin’ny lafivalon’ny Nosy: fomba fanisana manara-penitra, matanjaka, endrika tokana hampiray hina ny Malagasy rehetra.

IREO ISA FOTOTRA

Hanombohana àry dia indreto ireo “Isa fototra” handrafetana ny isa rehetra. Omena ny heviny, ny anarana amin’ny teny malagasy ary ny tarehimarika hanoratana azy (Jereo ny Sary).

FAMPIASANA

Inona no ataonareo? Alamino tsara ny saina, alamino tsara ny ao anaty atidoha, omeo toerana ny teny malagasy sy ireo isa fototra ireo: misy kiefitrefitra maro ao anaty atidoha, omeo toerana iray lehibe ny teny malagasy tahaka ny hanomezanareo toerana ireo teny hafa hainareo, oh: teny frantsay, teny englisy na hafa hainareo koa.
Ny amafisina dia omeo toerana ny teny malagasy: ny dikan’izany dia aza miditra any amin’ny efitra hafa, malagasy ianao ary malagasy no iresahanao, noho izany hiteny malagasy madio isika, aza miteny sadasada vary amin’akotry, aza miteny frantsay fa miezaha miteny malagasy.
Ny teny malagasy ampiasaintsika amin’ny fanisana eto dia efa namboarina, nahitsy ary nohatevenina: noho izay, aza misalasala intsony fa teny malagasy matanjaka no omena anareo, tsy latsa-danja amin’ny teny hafa fampiasa eo amin’ny fanisana mety ho fantatrareo.

Sary – Ireo Isa fototra folo

Ataovy madio sy hentitra ny baiko ao amin’ny atidoha (Ataovy an-tsaina mandrakariva ny Sary Isa fototra):
– Raha vao mahita tarehimarika ny masonareo, oh: 3 na hafa : TANDREMO: TENY MALAGASY AVY HATRANY, aza miteny frantsay mety nahazatra anao teo aloha.
– Tonony mafy ilay tarehimarika: zaro ny sofina hihaino ilay feo manondro ilay tarehimarika.
– Zaro koa ny tànana raha toa hosoratana ilay tarehimarika (ohatra rehefa hampiditra N° amin’ny telefonna), zaro ny tànana hanaraka ny feo tononin’ny vava.
– Ataovy tsara sy hentitra ny fanazarantena amin’ireo tarehimarika rehetra miisa Folo ireo (ireo ilay antsoina hoe: Isa fototra) hizaran’ny maso sy ny sofina.
– Ianao koa hanjary mpampianatra hampianatra ny manodidina anao: ao an-tokan-trano, ao amin’ny toeram-piasana, ny mpiara-mianatra, sns . . .

Ny takiana aminao amin’ireo hetsika rehetra ataonao dia ny hirindran’ny hetsika samihafa ataon’ny maso, sofina, tànana hirindra tsara tsy hisy fifanoherana. Tandremo ny mihatsara ivelantsihy na tsy misy miahaino anao mivantana aza eo ka mangalatra hiteny frantsay ianao: REHEFA TENY MALAGASY NY BAIKO OMEN’NY ATIDOHA DIA MIEZAHA MAMPIASA TENY MALAGASY AMIN’IREO HETSIKA REHETRA HANATANTERAHANA ILAY ASA TAKIAN’NY ATIDOHA.

(Hotohizana)

N.B : Solonavalona Andriamihaja Nampi Mehta Arahotsara ny fanazavana sy ny fivoaran’ny matrematika eo amin’ny tantara ary mahaiza manetry tena: tsy ampy fahalalàna ny Malagasy eo amin’ny matematika, tsy aleo ve manaraa ny fivoarana « universel » ZERO no valiny (fa tsy Aotra).