NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 9 Akademia Malagasy

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 9 Akademia Malagasy

Culture Education
81 / 100

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 9 Akademia Malagasy

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO (09)

facebook 03/02/2019

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 9 Akademia Malagasy
NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO

FAMPIASANA TAREHIMARIKA

Ny olombelona rehetra eran-tany na taiza na taiza ary nanomboka tany amboalohany dia manisa amin’ny teny am-bava fa mbola tsy nahay nanoratra (ary toy izany koa ny mponina teto Madagasikara nanomboka taloha, raha ny fantatra dia efa analina taona izay nisian’ny olona teto Madagasikara).

Ary satria ny teny am-bava tsy maintsy atao fohy arak’izay azo atao mba hahafahana maneho haingana dia haingana ny haben’ilay isa ary koa hahafahan’ireo mpihaino mahatakatra haingana ny haben’ilay isa tiana ampitaina dia ny HABE NO TENENINA VOALOHANY. Izany rahateo koa no famaritana ny hoe: HABE : NY HABE (NA HABETSAHANA) DIA MILAZA NY HABEN’NY FITAMBARAN’ILAY ZAVATRA ISAINA (FA TSY NY HAKELEZANA VELIVELY).

Tsy mila fahaizana matematika manao ahoana akory izany fa ny fanombohana dia miainga amin’ny fampitahana: Lehibe-Kely, Maro-Vitsy, Mavesatra-Maivana, Ela-Vetivety; rehefa milaza io habe io dia ny habe no tenenina, ny habetsahana, ny vesatra, ny fahelàna, sns . . .

FAMPIASANA VENTY ISAN-KARAZANY

Arakaraky ny toetr’ilay zavatra isaina na refesina no isafidianana ny venty ampiasaina: ankehitriny fantatsika fa ny mpanefy firavaka dia mandandza ny volamena amin’ny venty “grama”, ny mpivaro-bary dia mandanja ny vary amin’ny “kg” (izay milanja Arivo grama) ary ny kamiò mpitatitra fasika dia mandrefy ny fasika amin’ny kamiò (izay mety mahazaka roa na telo “tonna” (iray tonna = Arivo kg).
Tsy azo eritreretina mihitsy ny mpivaro-bary handanja sy hivarotra ny vary fotsy amin’ny “grama”: kely loatra, mandany andro, tsy azo eritreretina koa ny kamiò mpitatitra fasika handrefy ny fasika amin’ny kapoaka na amin’ny daba, . . . Mazava ho azy fa ilay venty tandrify ny habe no ampiasaina sy tenenina dia ny VENTY LEHIBE.

Efa hitatsika ireo fanazavana telo farany nalefa teto amin’ny fb momba ireo famaritana ireo venty handrefesana ireo, ireo “Venty anelanelany” antsoina amin’izay hoe: “Sokajin’isa” na “Sokajy” sy famaritana ny lalàna hanehoana ny fitambaran’ny zavatra isaina:
– NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO (07), facebook 06/01/2019
– NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO (08), facebook 14/01/2019

Ny lalàna milaza fa ny fandaharana ireo Sokajin’isa ireo dia mirindra: MANOMBOKA AMIN’NY SOKAJY LEHIBE INDRINDRA, MIDINA MIANDALANA ARY MIAFARA AMIN’NY SOKAJY KELY INDRINDRA.
Ohatra: ROA ARIVO FOLO SY SIVY : manomboka amin’ny “Arivo”, arahin’ny “Zato”, manaraka ny “Folo” ary faranana amin’ny “Venty .
Izay ny teny am-bava. Hatreto, raha mahay manoratra amin’ny tarehintsoratra ilay olona (tahaka izao tarehintsoratra abidia latinna ampiasaintsika izao) dia soratra feno no soratana: “ROA ARIVO FOLO SY SIVY”.

FANISANA AN-TSARY NA TAREHIN-TSARY (TAREHIMARIKA)

Ilaina anefa ny maneho ilay isa an-tsary mba ho tadidiana: tsipika soritana eo amin’ny rindrim-bato anaty zohy na sokirina eo amin’ny taolana; izany ny fahagola, an’arivo taona maro taloha tany Eoropa na tany Azia, . . .
Dinganintsika ny tantara nikarohana ny sary grafika hanehoana ireo “Isa fototra”, ireo sary grafika ireo no antsoina ankehitriny hoe “Tarehimarika” araky ny vokatry ny fikarohan’ireo astronoma sy matematisianna karana, India tamin’ny Taonjato faha-VI-IX AD (Hivereno ny Post voalohany 07/08/2018 sy faharoa 14/08/2018).
Ahoana àry ny hanehoana amin’ny tarehimarika soratana ilay isa voalaza am-bava toy ny ohatra nomentsika teo aloha?

Azo fintinina amin’ny soratra mampiasa tarehimarika ny isa rehetra rehefa ampiasaina ireto fitsipika ireto:
i) Ao amin’ny Venty tsotra fanombohana dia efa manana tarehimarika hanondroana ireo “Isa fototra” folo voalohany isika, AMIN’NY TENY MALAGASY averina eto: 0 : Zero; 1 : Iray/Iraika; 2 : Roa; 3: Telo; 4 : Efatra; 5 : Dimy; 6 : Enina; 7 : Fito; 8 : Valo; 9 : Sivy.
ii) Ao amin’ireo Venty anelanelany samihafa rehetra/Sokajy dia azo isaina koa amin’ny alalan’ireo Isa fototra ireo, saingy amin’ilay Sokajy, ohatra: Ampolony: 0 Ampolony; 1 Ampolony; 2 Ampolony; . . . 8 Ampolony; 9 Ampolony.
iii) Ny fandaharana ireo Sokajy samihafa ireo dia manaraka ny Lalàna matematika efa nomena tao amin’ny Post faha 8 izany hoe milahatra toy izao, ohatra: Arivo – Zato – Folo – Venty.

Vokany: Anaovana sary antsoina hoe fafana na Tabilao izany ahitana ireo kiefitrefitra – tsanganana ireo;
Oh: ny taona diavintsika dia voasoratra amin’ny soratra feno hoe (teny am-bava, mety voafintina ny anaran’ny sokajy sasany) hoe:
Roa Arivo Folo sy Sivy = Roa Arivo |Zero Anjatony|Iray Ampolony|Sivy Venty.
Rehefa esorina ny sisin’ilay fafana tranony dia ilay isa voasoratra amin’ny tarehimarika no tavela:
2019

FAMPIHARANA

Vokatra lehibe goavana no azontsika ankehitriny (ho antsika Malagasy tahaka ireo mponina hafa eran’izao tontolo izao na tsy nandray anjara tamin’ireo fikarohana aza isika).
Tokony ho tsapantsika Malagasy izany vintana sy fanomezana izany ka tsy hikirizan’ireo sasany amin’ny hevi-diso hoe fomban-drazana eo amin’ny fanisana, FANTARO FA TSY NAHAY NANORATRA NY MALAGASY TAMIN’NY ROAN-JATO TAONA LASA, NY SORABE NAMPIASAINA TAO AN-DROVA NA NAMPIASAN’IREO KATIBO ANTEMORO TSY NAHAFANTATRA ARY TSY NANANA TAREHIMARIKA).

Ohatra: Ahoana ny hanoratana amin’ny tarehimarika ny isa “Folo”?
Folo = Iray Ampolony (jimpona, tsy misy Venty)
= Iray Ampolony sy Zero Venty
= 10
Samy maka ny toerany ao anaty fafana (ao anaty trano) ny Iray Ampolony (tsanganan’ny Ampolony) sy ny Zero Venty (tsanganan’ny Venty): Tsy misy mifanosona.

Ary ny isa manaraka avy hatrany ny Folo?
Folo ampiana Iray = Folo sy Iray
= Iray Ampolony sy Iray Venty
=11.

Ary toy izany hatrany ny isa manaraka rehetra. (Jereo ohatra vitsivitsy eo amin’ny Sary).

Izany ny matematika: tsy misy tsiambaratelo, tsy misy majiky; tsotra fotsiny: fanjohian-kevitra mazava sy hentitra rehefa miainga amin’ny tsoakevitra sy petrakevitra mazava ary MARINA, velarina sy tarihina ahazoana voakatra MARINA.
Sary ammpiarahina: Fafana kely

Solonavalona Andriamihaja
(Hotohizana)