NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 11

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 11 Akademia Malagasy

Culture Education
76 / 100

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 11 Akademia Malagasy

NY FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 11 Akademia Malagasy

FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO post 11
FOMBA FANISANA MALAGASY VAOVAO

facebook 14/02/2019

KILASY

Hamaramparana ny andiana lahatsoratra isika ka hiverina indray any fotony.
Tsy ny politika ihany akory no manao Fanorenana ifotony fa ny matematika sy filozofia indrindra indrindra no mampiasa io paika io nanomboka fahagola ka mandrak’ankehitriny: ny antony dia avy amin’ny ohatra tsotra hita amin’ny fiainana andavanandro no iaingan’ny fandinihina ary hanohizana ny fanjohian-kevitra ka amoahana vokatra isan-karazany toy ny teorema maro.

11.1 FITAOVANA FANISANA SAMIHAFA

Azontsika an-tsaina ireto zavatra manaraka ireto azo ampiasaina hanombohana ny fanisana (Jereo ny Sary) :
– Vakana: kilalaon’ny ankizivavy kely; azo tohizana amin’ny kofehy na tadikely iambozonana na atao amin’ny sandry.
– Voanjobory: mora hita ary mora isaina saingy sarotra anehoana ireo singa fampiasantsika eto amin’ny tontolon’ny fanisana toy ny Venty anelanelana samihafa na Sokajin’isa.
– Taho: namboarina amin’ny volontsangana na koa azo amina fanangonana tahona stylo efa lany na izay zavatra hafa azo asolo an’ireo. Fitaovana tena mahomby nampiasain’ny olombelona nanomboka taloha ela ary azo ampiasaina tsara mandrak’ankehitriny satria mora tehirizina ary azo anehoana tsara ireo zavatra kiraintsika eo amin’ny fanisana toy ireo Venty anelanelana maro: Venty, Ampolony, Anjatony, . . . Fehezina amin’ny tadikely ireo,hita maso tsara azo aseho ny mpianatra ary azo tehirizina ka aseho isaky ny hanao fanazavana sy fampianarana.
– Kodiakely: fitaovana filalaovana na filokàna.
– sns . . .

Raha toa fitaovana fanisana singan-javatra toy ny taho no resahina matetika eto dia hijery zavatra hafa isika: ny vakana, azo tohizana maro, tsifolofolo ohatra.
Hanao jeometria isika:
– Amboarina ny tohizana vakana misy vakana folo isanisany.
– Atambatra mifanakaiky ny tohizana vakana vaovao tsifolofolo etsy ambony (Tsy tohizana milahatra mahitsy fa atao mifanakaiky havia-havanana).
– Tsy manome endrika jeometrika mahafapo anefa izany vokatra izany fa toa sarotra alamina ihany ihany, tsy ahitana endrika jeometrika mazava ka hiova fitaovana isika : kodiakely.

11.2 FANISANA SY FANDREFESANA AMIN’NY GOBAKELY

Hiditra amin’ny jeometria 3D isika ampiasa ny habaka Hadiry : Halava x Sakany x Haavo: ny kodiakely manana lafy 3 mitovy refy izany. Antsointsika amin’ny anarany jeometria hoe: Gobakely io.
Refy halava = Refy sakany = Refy haavo = Iray venty lafy.
Raha ny hadiry indray dia raisintsika ho Venty habe fiaingana ny hadirin’io Kodiakely/Gobakely io:
– Refy hadiry = Iray Venty hadiry = 1 Refy halava x 1 Refy sakany x 1 Refy haavo = 1 Venty hadiry.
– Alahatra eo amin’ny faritra lemaka ireo, latabatra ohatra ary atambatsika tsifolofolo antsointsika hoe Tohizana (Azo atao ny manao izany fanambarana izany, asiana dity kely isaky ny tava mifanandrina).
Faritana ny refy hoe: 10 Gobakely = 1 Tohizana
– Alahatra atambatra eo amin’ny latabatra indray ny Tohizana miisa 10 (apetraka tsara anaty lasitra) dia mahazo zavatra vaovao indray antsoina hoe Plaky:
1 Plaky = 10 Tohizana = 10 x (10 Gobakely) = 100 Gobakely
– Mamorona plaky 10 isa indray ary apetraka mifanongoa izy ireo: inona no azo?

Zavatra jeometrika tena manana endrika mitovy tsara amin’ilay Gobakely saingy ny hadiry no tsy mitovy, antsointsika hoe: Gobabe io na Goba tsotra izao:
1 Gobabe = 10 Plaky = 10 x (10 Tohizana) = 10 x (10 x (10 Gobakely)) = 10 x 10 x 10 Gobakely = 1000 Gobakely. (Jereo ny Sary Goba)
Vaovao izany:
– Endrika Gobabe = Endrika Gobakely (samy miendrika goba)
– Hadiry 1 Gobabe = 1000 hadiry Gobakely.

Manomboka eto dia hamorona fomba fanambarana vaovao isika, vokatry ny fitovian’endrik’ireo goba samy hafa ireo ary asesy mitovy ny paika ka toy izao ny vokatra farany:
– Ilay Gobakely voalohany, manana hadiry 1 Venty no hitarika ireo Venty anelanelana anankiroa Ampolony sy Anjatony ary omena anarana hoe “Kilasy”: Kilasin’ny Venty.
Fintinina toy izao:

Kilasin’ny Venty: ahitana:
1 Venty = Iray Venty
10 Venty = Ampolony = Folo Venty
100 Venty = Anjatony = Zato Venty.

– Ilay Gobabe faharoa omena andraikitra mitovy amin’ny etsy alohany: manana hadiry 1 Arivo no hitarika ireo Venty anelanelana anankiroa Ampolony sy Anjatony ary omena anarana koa hoe “Arivo”: Kilasin’ny Arivo ahitana:
1 Arivo = Iray Arivo
10 Arivo = Ampolony (Arivo) = Folo Arivo
100 Arivo = Anjatony (Arivo) = Zato Arivo.

– Ny Gobabe fahatelo: manana hadiry 1 Arivo x Anarivony no hitarika ireo Venty anelanelana anankiroa Ampolony sy Anjatony ary omena anarana hoe “Tapitrisa”: Kilasin’ny Tapitrisa ahitana:
1 Tapitrisa = Iray Tapitrisa
10 Tapitrisa = Ampolony (Tapitrisa) = Folo Tapitrisa
100 Tapitrisa = Anjatony (Tapitrisa) = Zato Tapitrisa.

– Ny Gobabe fahefatra: manana hadiry 1 Arivo x Tapitrisa no hitarika ireo Venty anelanelana anankiroa Ampolony sy Anjatony ary omena anarana hoe “Miliara”: Kilasin’ny Miliara ahitana:
1 Miliara = Iray Miliara
10 Miliara = Ampolony (Miliara) = Folo Miliara
100 Miliara = Anjatony (Miliara) = Zato Miliara.
– Mbola azo tohizana ihany ny paika nefa eo amin’ny fiainana andavanandro dia efa lehibe izany isa vaovao izany ka tsy dia be mpampiasa loatra.
Ny matematika no hamaly hanome ny fisoratra matematika ampiasaina amin’ny alalan’ny lefa “toraka” : eng power, fr puissance toy izao:
10 atoraka n = 10(toraka n) = 10(power n) = 10 x 10 x 10 x . . . .x 10 ka miisa n ireto sanda 10 ireto.

11.3 ANDRAIKITRA VAOVAO SY ANARANA TALOHA?

Ny zava-dehibe tsoahina amin’io fanazavana io dia ny fanomezana andraikitra vaovao ireo venty analanelana sasany izay manana toetra manokana mitovy amin’ny Gobakely dia ny Gobabe faharoa, Gobabe fahatelo, . . .

Ny anankiray amin’ireo no singanina eto dia ny Kilasin’ny Arivo satria manana anarana ireo Venty anelanelana ao aminy amin’ilay “Fomba fanisana malagasy ankehitriny” (ilay nantsoiko hoe Fomba fanisana B), ny kilasy sisa hafa mantsy (Kilasin’ny Tapitrisa, Kilasin’ny Miliara) tsy nisy nanome anarana an’izany Venty anelanelana izany daholo dia ireto:
1 Alina = andraikitry ny Folo Arivo
1 Hetsy = andraikitry ny Zato Arivo.
Rehefa ampiharina ny paika vaovao dia tokony hampiharina mitovy ho an’ny Kilasy rehetra.

11.4 FITSIPIKA
* FORONINA NY KILASY VAOVAO MANANA TOETRA MITOVY AMIN’NY KILASIN’NY GOBAKELY DIA : VENTY, ARIVO, TAPITRISA, MILIARA, . . .
* NY KILASY IRAY DIA MITARIKA IREO VENTY ANELANELANA AMPOLONY SY ANJATONY IZAY TSY OMENA ANARANA HAFA FA NY ANDRAIKINY NO MAMARITRA AZY TOY IZAO:

Kilasin’ny Venty
1 Venty = Iray Venty
10 Venty = Folo Venty
100 Venty = Zato Venty.

Kilasin’ny Arivo
1 Arivo = Iray Arivo (faritana hoe: Iray Arivo = Arivo x Venty tsotra)
10 Arivo = Folo Arivo
100 Arivo = Zato Arivo.

Kilasin’ny Tapitrisa (faritana hoe: Iray Tapitrisa = Arivo x Arivo)
1 Tapitrisa = Iray Tapitrisa
10 Tapitrisa = Folo Tapitrisa
100 Tapitrisa = Zato Tapitrisa.

Kilasin’ny Miliara (faritana hoe: Iray Miliara = Arivo x Tapitrisa)
1 Miliara = Iray Miliara
10 Miliara = Folo Miliara
100 Miliara = Zato Miliara.
Sns . . .
* FOANANA IRETO ANARANA TALOHA IRETO KA SOLOINA NY ANDRAIKITRA VAOVAO ANANANY :
1 Alina taloha = ANDRAIKITRY NY FOLO ARIVO = FOLO ARIVO
1 Hetsy taloha = ANDRAIKITRY NY ZATO ARIVO = ZATO ARIVO.
Ampiarahina: Sary Kilasy Goba

Solonavalona Andriamihaja