Independance Kristiann Ramiann

Indépendance

Chroniques Poème
73 / 100

Aza tantaraina na ataonao ren’ny saiko,

Ireny taraina ireny fa marary ny aiko,

Izay iaretanao, fa efa be no fantatro,

Tsy hita izay atao, be ny efa anatro…

Nampahalalaiko anao ny loza mety hihatra,

Ny edinedinao, toa tsindrona nandratra

Izaho no lazainao fa kely asa lany atao,

Iza anefa izao no tomany, mitalaho?

Efa hita niharihary fa mpanongam-panjakana

Nandrava sy nandoro fahavalon’ny lalàna

F’ianao no matim-pety sy ny mana kamo miasa

Efa hita fa tsy mety mbola lasa ihany, lasa!

Aza alaina sary ny fahapotehan’ny tanàna,

Na ireo zaza kere, na ny ray tsy mikarama,

Ny zaza mihenjihenjy mitafy lamba rotika,

Fa malahelo aho, ny aiko koa mangotika…

Andro iraisampirenena ho an’ny hanohanana,

Ka meteza ianao, hanaiky fanohanana

Meteza hifandray tanana fa aza mino nofy,

Ny asa sy sakafo no odin’ity rofy…

Aoka izay ny taraina.

#StopFamineaMadagascar

(C) Kristiann

Lire un autre de ses poêmes : Ianao ry Taniko par Kristiann avril 2020 Independance Kristiann Ramiann